lundi 22 août 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO RAIAMANDRENY BETSILEO (2022)

 FIHAONANA MPANJAKA 


TEO AMIN'   


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' I MADAGASIKARA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


SY


. Ny Raiamandreny RAKOTOBE JEAN DAMASE,

FANJAKANA BETSILEO LALANGINA,


. Ny Raiamandreny RATOVONONY ANGELO,

FANJAKANA BETSILEO ISANDRA,


. Ny Raiamandreny RATSANGA III,

FANJAKANA BETSILEO MANANDRIANA, 


. Ny Raiamandreny ANDRIAMASINORO

FANJAKANA BETSILEO LALANGINA SY VOHIBATO,


NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,


HO


. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA) SY NY RAZAMBE IRAISANA.


. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.


. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.


. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZA ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.


. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY AVY AMIN' NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' IREO MASĪNA AMIN' NY FANJAKANA BETSILEO. 

 

 

TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Lapa Vohimasina, Fanjakana Betsileo,

Taona Sabotsy, volana Elul, 03 Aogositra 2022.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' I MADAGASIKARA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.



samedi 13 août 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA (2022)

 FIHAONANA MPANJAKA

TEO AMIN'
NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara,
SY
IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA
ao amin' ireo Tranobe ao Mananjary,

niaraka tamin' ireo mpiara-dia aminy avy,


HO
. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA),
. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA,
. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.


. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZA ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.


. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY AVY AMIN' NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' IREO AMPANJAKA ANTAMBAHOAKA.
TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".


"... NY MPANJAKA LAHY MANJAKA ARAKA NY FAHAMARINANA ARY IREO ZANAKANDRIANA MITONDRA ARAKA NY RARINY...".


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Tranobe Andramagna Andrefana,
Mananjary Vohitra Masina,
Taona Sabotsy, Aogositra 2022.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,
Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.

dimanche 7 août 2022

FIHAONAN' NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA SY NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO TANY IVATO-VOHIPENO (2022)

 FIHAONANA MPANJAKA


TEO AMIN'


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA,

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA,


SY


NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO MARC BRILLANT,

AMPANJAKA BE ANTEMORO,


NIARAKA TAMIN' IREO SOLONTENA MPIARA-DIA AMINY AVY,


HO


. FAMPAHATSIAVANA NY TANTARA MIAFIN' I MADAGASIKARA NANDRITRA NY ENINA ARIVO TAONA MAHERY (+6000 TAONA).


. FANAMAFISANA NY FIHAVANANA SY NY FIFANKATIAVANA ARY NY FIRAISANKINA.

. FITODIHANA NY TALOHA, FANDINIHINA NY ANKEHITRINY ARY FANOMANANA NY HO AVY.


. NANAMAFY KOA NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA FA AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA SY MBOLA AZO HAMPIDININA AZY ARY MANANA VAHA-OLANA AMIN' IZANY IZY IREO.


. NISY KOA NY FANOMEZANA AVY AMIN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA SY NY VONDRONA IRAISANA MIARO NY VAKOKA (VIMVA) AVY ANY AM-PITANDRANOMASINA HO AN' NY NDRENOGNY RAMAHASITRAKARIVO MARC BRILLANT.


TANY MASINA I MADAGASIKARA !


"... MITSANGÀNA, MIHAZAVÀ, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO ...".

DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA MANDRAKIZAY !


Lapa Fenovola, Ivato Vohipeno,

Taona Sabotsy, 01 Aogositra 2022.


NY MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA,

AVY AMIN' NY LAHIMATOAN' IMERINA, 

LEHIBEN' NY FIANAKAVIAMBEN' NY MPANJAKA ETO MADAGASIKARA.

mardi 12 juillet 2022

FANAMBARANA MIKASIKA NY SOLIKA

 RY MPIRAY TANINDRAZANA, 


AZO ATAO TSARA NY TSY MAMPAKATRA NY VIDIN' NY SOLIKA ETO MADAGASIKARA. MISY NY VAHA-OLANA. MANANA NY VAHA-OLANA IZAHAY.


DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY NY VONINAHITRA !


Antananarivo, faha-11 Jolay 2022.


Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA,

Avy amin' ny Lahimatoan' Imerina,

Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.



samedi 2 avril 2022

ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO MALAGASY 6022!

"...ITY VOLANA ITY NO VOALOHAM-BOLANA HO ANAREO, DIA HO VOALOHAM-BOLANA AMIN' NY TAONA HO ANAREO ...". SAMBASAMBA ZANAHARY! ARAHABA TRATRY NY TAOMBAOVAO 6022! NY ANDON' NY LANITRA SY NY TSIRON' NY TANY HO AMINAREO REHETRA ! SAMY HO TRATRY NY ARIVO TAONA MITSINGERINA INDRAY ! DIA SAMY HO TAHIN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY HATRANY! Vita soa amantsara ny Fankalazana an' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ny andro voalohany amin'ny volana voalohany amin' ny TAOMBAOVAO 6022 izay natao tao AnerinerinaToerana Masina, izay nisy ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA LAHIMATOAN' IMERINA (c.1275-1300 AD) Mpanjaka Merina voalohany teto Avaradrano Zokin' Imerina ary razamben' ny Mpanjaka sy andriana Merina rehetra sy ireo Mpanjakan' i Madagasikara. Notanterahina ny Fotoam-pivavahana izay nisy Fizarana ny Tenin' ILAY MPAHARY, nataon' ny Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 72 Taona, izay manamafy fa FANJAKA-PISORONA sy FIRENENA MASINA ary TARANAKA VOAFIDY manokana ny andriana eto amin' ny Tany sy ny Firenena, eo anatrehan' ILAY MPAHARY ary manana Adidy Masina sy Andraikitra goavana amin' ny Famonjena ny Firenena. Nohamafisina ihany koa ny TENY FIKASAN' ILAY MPAHARY HO AN' I MADAGASIKARA manokana manao hoe "...MITSANGANA, MIHAZAVA, FA TONGA NY FAHAZAVANAO, ARY NY VONINAHITR' ILAY MPAHARY EFA MIPOSAKA AMINAO..." Nisy koa ny Fanazavana ny Tantara miafin' i Madagasikara, Tany Fototra, izay Tantara mihoatra ny 6000 Taona mahery, hatrany amboalohany, nanomboka tamin' ny Olombelona voalohany ka mandraka ankehitriny. Nisy koa ny Vavaka manokana ho Famonjena ny firenena ary ny Fitondrana am-bavaka sy Tsodrano manokana nataon' ny Andriana Raiamandreny ara-panahy Zokiolona 75 Taona ho an' ny MPANJAKA NDRIANA RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara, eo amin' ny Adidy Masina izay nasain' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY ataony, teo anatrehan' ireo Andriana Solontena avy amin' Imerina Enitoko. Avy eo dia nisy ny Tsidibohitra ny Toerana Masina Anerinerina, misy Ny MPANJAKA ANDRIANERINERINA loharanon' ireo Mpanjaka Merina rehetra eto Imerina Eni-Toko, sy ny Fanazavana fa MPANJAKA mi-isa Folo, izay MPANJAKA MERINA sy MPANJAKAN' I MADAGASIKARA, no nipoitra teto amin' ireo Vohitra masina manodidina teto. Nisy koa ny fitazànana ny Dobo Masina ao Andranonandriana izay nitondrana ny rano masina ho an' Anatirova Antananarivo misy an' i Manjakamiadana. Ary natao koa ny TATAO, izay Fihinanana ny VARY TONDRAHAN-DRONONO sy TANTELY ary ny TSO-DRANO, fomba nenti-paharazana efa nandritra ny arivo taona maro nataon' ny Fianakaviamben' ny Andriana Merina, izay notanterahina tao Antananarivo Vohitra masina. DIA HO AN' ILAY MPAHARY NY LANITRA SY NY TANY IRERY IHANY ny Voninahitra mandrakizay !

Anerinerina, Ambohimalaza, 01 Aprily 2022.

Ny Mpanjaka Ndriana RABARIOELINA, avy amin' ny Lahimatoan' Imerina, Lehiben' ny Fianakaviamben' ny Mpanjaka eto Madagasikara.